Raharaham-pirenena

Fifidianana ben’ny tanana sy mpanolotsaina Handrakotra kaominina enina amby fitopolo sy fitonjato ny Safidy

Hanamafy ny fanaraha-maso ny fifidianana kaominaly, hatao amin’ny 27 novambra ho avy izao, ny Sampana Anarahamaso ny Fifidianana, Ivon’ny Demokrasia Iombonana na ny Safidy. Nampahafantarina tetsy amin’ny foiben’ny sampana Safidy, tetsy Ambatonakanga omaly, fa handrakotra kaomi­nina enina amby fitopolo sy fitonjato, izay miparitaka any amin’ny distrika roa amby folo amby zato manerana an’ireo faritra rehetra eto Madagasikara izy ireo.

Mpisehatra zato sy efatra arivo no hahetsika amin’izany ka hifantoka amin’ny fanaraha-maso ny fotoana mialoha sy mandritra ny fampielezan-kevitra, ny fizotran’ny fifidianana, ny fikirakirana sy ny fanambaràna ny vokatry ny fanaraha-maso, ny fifanolanana amin’ny fifidianana ary ny fanajana ny lalàm-pifidianana ny asa. “Havondrona ao anaty sampana telo samy hafa, hahitana ny sampana miandraikitra ny antso an-tariby sy ny fandefasana hafatra amin’ny finday, ny sampana hikirakira ny vokatra sy ny antontam-baovao voaray ary ny sampana mpanapa-kevitra ireo mpisehatra ireo. Hapetraka ny laharana maitso azon’ny rehetra antsoina maimaim-poana raha misy mahatsikaritra tsy fahatomombanana. Ny ampahan’ny vola mitentina 520,000 Euros avy amin’ny Vondrona Eoropeana izay efa nampiasaina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka natao farany teo ihany no hamatsiana ny asa amin’ity indray mitoraka ity”, hoy Razanamahefa Stella, mpampiaka-tenin’ny sampana fanaraha-maso Safidy.

Nicoh Richman

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra