Raharaham-pirenena Tapatapany

Fanambaram-pananana

Solombavambahoaka roa amin’ireo iraika amby dimampolo amby zato nofidiana mane­rana ny Nosy no nahavita ny fanambaràm-pananany. Namoaka tatitra nampiseho izany ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC), ka fantatra fa ny solombavambahoaka voafidy teto Antananarivo I sy ny solombavambahoakan’Ambovombe Androy ireto nahavita ny anjarany ireto. Ny andininy faha-41 ao amin’ny Lalàm-panorenana no manery ny olom-boafidy hanao fanambaràm-pananana mialoha ny handraisany ny asany.