Sosialy

Asa fanasoavana Hanamarika ny fahafolo taonany ny mpilatsaka an-tsitrapo frantsay

Homarihina rahampitso, etsy amin’ny Alliance Française Andavamamba (AFT) ny andiany fahavalo amin’ny Andron’ ny mpilatsaka an-tsitrapo frantsay miasa eto amintsika miaraka amin’ny France volontaires Madagascar, izay mifanindran-dalana amin’ny fahafolo taonany. Hanasongadina ny fandraisana anjaran’ireo mpilatsaka an-tsitrapo frantsay teo amin’ny sehatra fampandrosoana ny firenena nandray azy. An’arivony isan-taona ireo mpilatsaka an-tsitrapo tonga eto Madagasikara.

« Mandray anjara amin’ilay tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo. Iray ny tanjon’izy ireo, mitondra ny traikefany hozaraina na hanasoavana ny mponina amin’ny firenena mandray azy ireo », hoy Ratsimba Lovasoa, solontenan’ny France Volontaire eto Madagasikara. Misandrahaka amin’ny sehatra maro ny asan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo ireo: fahasalamana, fanabeazana, fampiofanana teknika.

Tsy mijanona amin’ny fandraisana mpilatsaka an-tsitrapo fotsiny ihany anefa i Madagasikara, amin’izao fotoana izao, fa efa mandefa tanora malagasy hampahafantatra ny firenena amin’ireo Frantsay.