Raharaham-pirenena Tapatapany

Tonga hatrany amin’ny ONU

Ny herinandro lasa teo no nanatanteraka dia manokana nanao tatitra mikasika ny firoson’ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana, tany amin’ny foiben’ny Firenena Mikambana (ONU), tany New York, ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), Rakotomanana Hery. Nisongadina tamin’izany tatitra izany ny famariparitana an’ireo famatsiam-bola eo am-pelantanan’ny Ceni hoentina mikarakara ny fifidianana filoham-pirenena.