Samihafa

FESTIVAL CINEMA ESPAGNOL Horonantsary enina halefa maimaim-poana

Raikitra indray. Manomboka anio no halefa amina toerana roa samy hafa ny sarimihetsika roa voalohany ao anatin’ny “Festival de cinéma espagnol”, andiany fahatelo. Etsy amin’ny Alliance Française Andavamamba, amin’ny 2 ora tolakandro, no handefasana izany ka ilay horonantsary “ Objectif la lune” no hanokafana izany. Ao amin’ny IFM Analakely kosa no hanolorana ny sarimihetsika faharoa mitondra ny lohateny “Pain noir”, amin’ny 7 ora hariva. Raha toerana vitsy ihany no nahafahana nandefa ny sarimihetsika nandritra ny andiany voalohany sy ny faharoa dia somary nivelatra amina toerana maro manerana ny renivohitra ny hetsika tamin’ity andiany fahatelo ity. Hotohizana rahampitso ao amin’ny efitranon’ny CGM Analakely indray ny fandefasana ny horonantsary “Obaba”, amin’ny 5 ora hariva. Manaraka izany ny “Liste d’attente”, “La méthode”, “Même la pluie” izay ho hita ao amin’ny sekoly Peter Pan, eny amin’ny Anjerimanontolo Ankatso sy ao amin’ny Lycée français. Ankoatra izay, hisy ihany koa atrikasa mahakasika ny tantara an-tsary ho an’ny ankizy hiarahana amin’ny fikambanana Antsary, hiara-dalana amin’ny fandefasana ireo sarimihetsika. Hanasana ny rehetra ny hetsika ary mamaim-poana ny fandraisana anjara.