Raharaham-pirenena Tapatapany

Fodiamandry

Nindaosin’ny fahafatesana tamin’ny alahady 8 septambra lasa teo, Rabesahala Gabriel, fantatra tamin’ny anarana maha mpanao gazety hoe Gaby Rabesahala. Valo amby fitopolo taona izy izao nodimandry izao. Tsy salama efa hatramin’ny ela izy araka ny fitantaran’ny fianakaviany. Rahampitso no hanatanterahana ny fandevenana eny Ambohimanga; aorian’ny hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ao amin’ny Chapelle Bourbon Analamahitsy.