Sosialy

Fandaozana an’i Madagasikara Afaka hatao veloma amin’ireo lalana mihazo an’Ivato ny Papa Fransoa

Handao tanteraka an’i Madagasikara ny Papa Fransoa. Anio amin’ny fito ora sy sasany maraina no hiainga etsy Ivandry ka hihazo ny seranam-piaramanidina eny Ivato, hody any Vatikana (Roma) ny Papa Fransoa, rehefa avy nitsidika ny nosy Maorisy, omaly.

Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika omaly dia: “azon’ny besinimaro atao ny manao veloma ny Papa Ray Masina, eny amin’ny lalan’ny Tsarasaotra mihazo ny seranam-piaramanidina iny”. “Ho an’ireo izay mitondra fiara kosa dia tokony hametraka tsara an’izany eny amin’ny sisin-dalana ivelan’ny arabe”, hoy ny fampitam-baovao avy eny Iavoloha.
Ho fanomezam-boninahitra sy ho mariky ny fisaorana ny Ray Masina no voalaza fa antony nandraisan’ny fitondram-panjakana an’izao fepetra izao.