Fanatanjahantena

Basket-ball- Fifaninanam-pirenena Mitohy ny fahombiazan’ny mpilalaon’ny zandarimaria

Mbola tsy nisedra faharesena mihitsy ny mpilalao basket-ball, avy amin’ny Zandarimaria (GNBC) nandritra ny fifaninananam-pirenena, sokajy lehilahy N1A. Naneho ny fahaizany indray izy ireo nanoloana ny AS Fanalamanga, omaly, teny amin’ny lapan’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Mahamasina rehefa nandresy tamin’ny isa 103 noho 62.

Mbola mitarika vonjimaika ny filaharana ity klioba avy any Vakinankaratra ity taorian’ny nahazahoany isa valo ambin’ny folo tao anatin’ny fandresena sivy.

Tsara vokatra toy izay ihany koa ireo mpilalao vehivavy ao amin’ny MB2ALL.Mitarika vonjimaika izy ireo ao amin’ny sokajy misy azy miaraka amin’ny isa efatra ambin’ny folo. Nandavo ny Tamifa indray izy ireo omaly tamin’ny isa 87 noho 44.
Mitohy anio eny amin’ny lapan’ny Tanora sy fanatajahantena Mahamasina ny fifaninanana.

Sendra R.