Fanatanjahantena

Baolina kitra- Fifaninanam-paritra Hanomboka amin’ny 28 septambra ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga

Manomana ny taom-pilalaovana 2019-2020 ireo klioba amin’ny taranja baolina kitra eto Analamanga, amin’izao fotoana izao. Hisokatra amin’ny 28 septambra ny fiadiana an’izay ho tompondakan’ny faritra.

Hotanterahina eny amin’ny kianja Elgeco Plus, eny By-Pass, ny ny lalao ho an’ireo ekipa avy eto Analamanga. Ekipa miisa valo ambin’ny folo no handray anjara amin’ity fifaninanana ity.

Tsy hizara ao anaty vondrona ireo klioba ireo fa hifandona amin’ny lalao mandroso sy miverina avokoa mandritra ny andro enina amby telopolo. « Ny ekipa mahazo isa be indrindra no voahosotra ho tompondaka», hoy ny filohan’ny Ligin’Analamanga, amin’ny taranja baolina kitra, Rakotoarimanana Henintsoa.

Mbola manana telo herinandro ireo klioba hanaovana ny fanazarantena sy hiomankomanana farany mialoha ny hidirana an-tsehatra amin’ny fifaninanana.

Sendra R.