Raharaham-pirenena Tapatapany

Mpanao politika nodimandry

Omaly tamin’ny 4 ora hariva no nafindra tetsy amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza ny nofo mangatsikan-dRandriarimalala Harijaona, solombavambahoaka voafidy tany Atsimondrano, fantatra amin’ny anarana hoe Jaona Elite. Nandrasana teny an-toerana izy ny alin’io ary anio amin’ny 12 ora antoandro kosa no hoentina eny amin’ny FJKM Andravoahangy Fivavahana, mialoha ny handevenana azy eny amin’ny fasan-drazany eny Ankatso. Teo amin’ny faha-42 taonany izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao.