Tranga samihafa

Lozam-pifamoivoizana Miady amin’ny fahafatesana ity lehilahy nazeran’ny moto

Niharan-doza teny Imerinafovoany ny lehilahy iray nitondra môtô, omaly hariva tokony ho tamin’ny 2 ora. Nianjera teo amin’ny arabe ilay môtô. Nitsirara tamin’ny arabe ny lehilahy nitondra ilay kodiaran-droa ary tsy nahatsiaro tena. Olona niantra no nitondra
azy avy hatrany tany amin’ny hopitaly Loterana, teny Ambohibao.

Ahiana ho vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ity loza ity. Teo afovoan’ny arabe no tafajanona ny moto tra-doza. Nipitika lavitra ilay lehilahy nitondra. Hatramin’ny omaly hariva dia mbola eny amin’ny hopitaly io lehilahy io manaraka fitsaboana. Tsy nisy taratasy nahafantarana azy tany aminy. Ireo olona nahita ny loza no nanaparitaka ny sarin’ilay niharam-boina mba hahafantarana izay mety ho fianakaviany.