Tranga samihafa

Lalam-pirenena fahaenina Fiara fitaterana iray nirehitra teny an-dalana

Kila forehitra ny fiara iray marika «Mercedes Sprinter» mpitatitra olona tany amin’ny lalam-pirenena fahaenina mampitohy an’i Sambava sy Ambilobe, omaly tolakandro. Teny am-pandehanana no nitranga loza. Afaka nanavotra aina ny mpandeha rehetra sy ny mpamily. Tsy nisy ny aina nafoy sy ny olona naratra, araka ny tatitra voaray avy amin’ny mpitandro filaminana any an-toerana.
Tsikaritry ny mpamily ho hafahafa ny fiara ka naja­nony teo an-tsisin-dalana nony tonga teo Ambavahala. Nasaina nivoaka niaraka tamin’ny entany ny mpandeha rehetra. Nidona-tsetroka sy nivoaka lelan’afo, avy eo, ity fiara. Fifampikasohan’ny herinaratra no voalaza fa nahatonga ny firehetana. Nifarimbona namono ny afo tamin’ny alalan’ny ravin-kazo ny mpandeha. Tsy avotra ny fiara ka kila tanteraka. Nanohy ny diany niaraka tamin’ny fiara hafa nandalo teny an-toerana ny mpandeha, taorian’izay.