Fanatanjahantena

Hazakazaka am-bisikileta Handray anjara amin’ny « Tour de Congo” ny delegasiona malagasy

Handeha hiaro ny voninahi-pirenena ny delegasiona malagasy eo amin’ny taranja hazakazaka am-bisikileta mandritra ny “Tour de Congo”, ny 18 jolay ho avy izao. Houlder Mohamed (VCA), Rakotondravao Mederic (FCA), Rakotoniriana Jean Marc (FCSA), Randriamaharitra Sanda (CCPAM), Andrianjaka Joharivelo (VCA), Toky (ACA) no handrafitra ny ekipam-pirenena. Ravelonarivo Naly, no mpanazatra nasionaly hitondra azy ireo any Congo. “Tao anatin’ny ekipa hofan­tenana amin’ny hiatrika ny Lalaon’ny Nosy ireo hiatrika ny Tour de Congo ireo. Ny mpihazakazaka dimy izay tsy handeha any Maorisy no handeha any Congo. I Toky, dia tao anatin’ny hofantenana ihany koa saingy raraka tany am-boalohany. Nanohy hatrany ny fanazarantena anefa izy, ka izay no nisafidianana azy”, araka ny fanazavan-dRavelonarivo Naly, mpana­zatra nasionaly.

Marihina fa miatrika ny fampivondronana miaraka amin’ireo handeha amin’ny Lalaon’ny Nosy ireto delegasiona handeha any Congo ireto. Ampahatsiahivina fa tamin’ny roa taona no nandray anjara farany tamin’ ity fifaninanana ity. Nahazo fandresena tamin’ny dingana iray saingy tsy nahazo ny laharana voalohany teo amin’ny laharana amin’ny ankapobeny ny Malagasy, araka ny nambaran’ity mpana­zatra ity hatrany.

Sendra R.