Raharaham-pirenena Tapatapany

Fivoriana ara-potoana

Hitarika ny fivoriana ara-potoana voalohany ho an’ireo solombavambahoaka ny depiote zokiolona indrindra, Doda Andriamiasasoa (67 taona) sy Tsaradia Marco (31 taona), amin’ny 16 jolay ho avy izao. Andrasana manditra io fivoriana io ny fivoahan’ny anaran’ireo handrafitra ny birao maharitra sy ny fifidianana izay ho filoha vaovaon’ity andrimpanjakana mpanao lalàna ity. Milaza hanolotra anarana hofidiana hisahana io andraikitra io avokoa ireo antoko rehetra nahazo seza saingy mbola tsy nisy nampahafantatra izany izy ireo hatreto.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra