Tapatapany Tranga samihafa

Olona voatifitra

Naratra mafy ny olona iray sendra nandalo teny amin’ny Cité Itaosy, omaly alina tokony tamin’ny 7 ora sy sasany. Voatifitry ny jiolahy telo nanendaka olona avy nivarotra io naratra io. Nentina haingana eny amin’ny hopitaly Hjra Ampefiloha izy. Lasan’ireo jiolahy ny vola maro tany amin’io mpivarotra io. Nanenjika ireo jiolahy hatramin’ny alina tontolo ireo zandary eny Itaosy.