Tapatapany Tranga samihafa

Matin’ny lozam-piara­kodia

Namoy ny ainy teny amin’ ny hopitaly, omaly tolakandro, na dia efa nialana nenina nandritra ny andro maromaro aza, ilay tovovavy, roapolo taona, niharan’ny lozam-piarakodia teny Andranomena. Tamin’ny alarobia 2 oktobra lasa teo, no niseho­an’ny loza. Anisan’ireo naratra ary tena voa mafy tamin’izany ity tovovavy nindaosin’ny fahafatesana ity.