Kolontsaina

« Manala azy zokiny » Hanokana seho ho an’ireo efa nahazoazo taona Olombelo Ricky sy Edgard Ravahatra

Taorian’ny seho sehatra tetsy amin’ny kianjan’Ambohijatovo, ho etsy amin’ny Lovre Antaninarenina indray ny seho sehatra « Manala Azy », amin’ny takarivan’ny zoma 11 oktobra ho avy izao. Hiompana amin’ ireo efa nahazo taona ity andiany faharoa ity. Hiezaka Olombelo Ricky sy Edgard Ravahatra hitondra hafatra mafonja izay hipaka amin’ny fiarahamonina ankehitriny.

Ilay hira « Mandrava Sarotra » izay vao nivoaka tsy ela akory izay no hitondra ny fanahin’ny seho. Araka ny ambaran’ny lohahevitra sy ny votoatin’ny tononkira, ny ezaka tokony atao handrosoan’ny fiaraha-monina amin’ny tsaratsara kokoa hatrany no hafatra tian-kampitaina. Ankoatra an’i Edgard Ravahatra, mety hisy ny mpanakanto hafa, mitovy fijery amin’izy mirahalahy hanafana ity takariva ity. Aorian’ny etsy Antaninarenina hisintaka kely ho any Toamasina ity tetikasa « Mandrava Sarotra » ity.

Volasoa R.