Tranga samihafa

Loza tany Fianarantsoa Voatazona ao amin’ny fonjakely ilay mpamily nahafaty olona telo

Ny polisy no misahana ny fanadihadiana tamin’ilay lozam-piarakodia niseho tany Talatamaty Mangabe Fianarantsoa, tamin’ny zoma lasa teo. Mbola voatazona ao amin’ny fonjakelin’ny polisy ny mpamily nitondra ilay kamiao tapaka hisatra nahafaty olona telo sy nandratra olona folo ary nifaoka fiara am-polony. Nohalavaina ny fe-potoana ahafahana mitazona azy, mialoha ny hitondrana ny raharaha eny amin’ny Fampanoavana. «Tsy maintsy mbola hohenoina ny fitantaran’ireo niha­ram-boina. Misy amin’izy ireo anefa no mbola manaraka fitsaboana. Mikarakara ny razana ihany koa ireo mana-manjo. Andrasana ny fahatongavan’ izy ireo ho
tohin’ny fanadiha­diana », araka ny nambaran’ny loharanom-baovao akaiky ny famotorana. Tsiahivina fa noho ny fahatapahan’ny hisatry ny fiara lehibe iray no nahatonga iny loza tany Fianarantsoa iny.