Sosialy

Hosoka amin’ny fanjifana Tratra tsikelikely ireo mpangalatra herinaratra vokarin’ny orinasa Jirama

Mipoitra tsikelikely ireo hosoka ataon’ny mpanjifan’ny orinasa Jirama. Tra-tehaka nangalatra herinaratra indray ny toerana iray mpanamboatra kodiarana fiara na ireny antsoina hoe « Vulca » ireny etsy Mandroseza, omaly maraina. Ny fitsi­rihana nataon’ny mpiasan’ny Jirama amin’ireo tokantrano na orinasa madinika notapahana herinaratra noho ny tsy fandoavany faktiora no nahatratrarana ity tetsy Mandroseza ity.

Araka ny loharanom-baovao avy ao amin’ity orinasam-panjakana mpamokatra jiro sy rano ity dia « tamin’ny taona 2017 no efa notapahana ny herinaratr’ity orinasa madinika ity noho ny tsy fandoavany faktiora. Nilaza ny tompon’ilay toe­rana fa vao roa herinandro monja izy no nangalatra nisintona herinaratra mivantana teny amin’ny andrin-jiro ». Fantatra fa tsy nitsahatra ny nihodina nandritra ny taona 2017 ka hatramin’ny omaly nahatratrarana azy ny orinasa.