Tranga samihafa

Fisolokiana Sarona ity lehilahy nisandoka ho mpanamory fiaramanidina

Tra-tehaka indray raha voalaza fa efa nisazy tany am-ponja noho ny fisolokiana ny lehilahy iray, voasambotra teny Ambondrona, tamin’ny faramparan’ny herinandro lasa teo. Voalaza fa mitonona ho mpanamory fiaramanidina io lehilahy io entiny misoloky olona. Mbola nahatrarana fanamiana mpanamory fiaramanidina tao an-tranony niaraka tamin’ny basy poleta iray.

«Fitoriana fito no voaray momba an’io lehilahy io. Efa hatramin’ny taona 2010 no nanaovany ny asa ratsiny. Namoahana taratasy fikarohana izy, tamin’ny taona 2017. Voasambotra tany Toamasina, taorian’izay ka efa voatazona tany am-ponja», hoy ny mpanao famotorana. Tamin’ny fanadihadiana ihany no nahafantarana fa nianatra manokana momba ny fomba rehetra hisarihana syhandresena lahatra olona ity lehilahy voarohirohy ho mpisoloky ity. Nahitana fanafody gasy teny aminy. Milaza ho mahavita mampiditra tanora hiasa amin’ny fiaramanidina izy amin’ny maha mpanamory azy. Nisoloky olona amin’ny fanafarana fiara amin’ny vidiny mora avy any ivelany ihany koa ny lehilahy.

« Ankoatra ireo dia tafiditra eny amin’ireo lapam-panjakana mihitsy ity lehilahy ity noho ny fampiasany anarana olona
ambony sy filazany fa manana tetikasa hatao. Betsaka araka izany ny olona voasolokiny », araka ny fanampim-panazavana.