Raharaham-pirenena Tapatapany

Fihaonan’ny samy Filoha

Any Lyon (Frantsa) ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nanomboka, omaly. Voasa hanatrika ny loa-bary mikasika ny tahirim-bola hiadiana amin’ny aretina Sida sy ny tazo ary ny raboka ny tenany. Haharitra roa andro ity dinik’asa manodidina ny fiahiana ny fahasalamana ity. Ankoatra izany, dia hisy ny fihaonana manokana eo amin’ny Filoham-pirenena malagasy sy ny Filoha frantsay Emmanuel Macron any an-toerana.