Raharaham-pirenena

Boriborintany fahadimy Fokontany dimy indray no notsidihin’ny kandidà Naina Andriantsitohaina

Teny amin’ny Boriborintany fahadimy indray no nanohy ny fitsidihana ifotony nihaonany tamin’ireo mponin’ Antananarivo renivohitra ny kandidà Naina Andriantsitohaina. Fokontany fito dia ny teny Ambatomaro, Antsobolo, Mangarivotra , Ambohimirary, Andraisoro, Tsarahonenana ary Analamahitsy indray no noteteziny, omaly. Samy nanana ny hetahetany ireo mponina nihaona taminy. Ho an’ireo mponina teny amin’ ny fokontany Analamahitsy dia ny fananganana tsena. Ho an’ireo hafa kosa dia nanga­taka ny hanaovana laharam-pahamehana ny fanavaozana ny biraom-pokontany, ny toerana fanasan-damba, fanorenana kianja filalaovana baolina kitra ireo mponina.

Nanambara izy ireo fa “efa vonona handray andrai­kitra sahady ny kandidà laharana fahaefatra” amin’izao vanim-potoana fanomanana fampielezan-kevitra izao. Hisy araka izany ny fijerena ny fomba hanadiovana an’ireo lakandrano tsentsina hiatrehana ny vanim-potoa­nan’ny fahavaratra. Eo ihany koa ny fametrahana ny fia­raha-miasa akaiky eo amin’ ny fokontany sy ireo mpitandro ny filaminana manoloana ny tsy fandriampahalemana.