Fanatanjahantena

Baolina lavalava – « Mondial 2019» Nomontsanin’i Afrika Atsimo i Kanada

Mitarika vonjimaika ao amin’ny vondrona B i Afrika Atsimo amin’ny lalao maneran-tany amin’ny baolina lavalava any Japana. Nandavo an’ireo mpilalao kanadianina tamin’ny isa mavesatra 66 noho 7 izy ireo, omaly. Nazava hatramin’ ny nanombohan’ny lalao ny vokatra. Hita avy hatrany ny faha­samihafan’ny haavo teknika eo amin’ny ekipa roa tonta.

Nahazo ny tapakila hiatrehana ny dingana ampehafa-dalana amin’ny 19 na 20 oktobra ho avy izao araka izany ny ekipan’
i Rassie Erasmus.

Fandresena telo sy faharesena tokana no vokatra azon’ireo mpilalaon’i Afrika Atsimo hatreto hatramin’ny nanombohan’ny lalao maneran-tany. Manana isa dimy ambin’ny folo izy tao anatin’ireo fifandonana efatra natrehiny. Lasa laharana faharoa kosa i Nouvelle-Zélande, tompondaka farany, rehefa nahita fandresena telo ihany koa.

Sendra R.