Samihafa

Ampahatra Antsirabe Lehilahy iray maty nilatsaham-potaka

Namono olona iray sahady ny varatra na dia tsy mbola tena tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoa­nan’ny fahavaratra aza isika, amin’izao fotoana izao. Lehilahy lehibe iray, manodidina ny 50 taona, monina ao amin’ny fokontany Ampahatra, tanàna izay somary mihataka kely ny renivohitry ny tanànan’Antsirabe ity maty vokatry ny fahamaizana teo amin’ny valahany rehefa avy nilatsaham-potaka ity.

Ny tolakandron’ny alatsinainy lasa teo no niseho ny loza ka raha araka ny filazan’ ny loharanom-baovao dia avy naka ganagana avy any an-tanimbary izy no io niharan-doza tampoka io. Maloka toy ireny hanorana ireny ny andro taty an-toerana tamin’io, saingy narahina kotroka ka dia izao nitera-pahavoazana izao. “Toy ireny nisy lelan’afo nilatsaka tampoka ireny teo akaikiny no sady namofona vanja be”, hoy ny fitantaran’ireo olona nanatri-maso ny loza sy niezaka namonjy azy, saingy rehefa tonga tany amin’ny hôpitaly moa dia efa tsy tana vokatry ny tsy fahazakany ilay entona sy ilay fahamaizana teo amin’ny valahany ny ain’ity raim-pianakaviana ity.