Samihafa

Fanadinana CEPE tany Mahajanga Mpiadina voatery naato noho ny toe-pahasalamany

Nizotra an-tsakany sy an-davany, tamin’ny ankapobeny, ny fanadinana Cepe, tany Mahajanga sy Fianarantsoa, omaly. Nisy ihany tranga niseho tany amin’ny faritanin’i Mahajanga, tao amin’ny CEG Tsararano Ambony, izay nampiatoana ny fanohizan’ny mpiadina iray ny fanadinana noho ny toepahasalamany, araka ny vaovao tao amin’ny kaomisaria foiben’i Mahajanga. Teo ihany koa ny olana kely vokatry ny tsy fanaterana ny sakafon’ireo mpiadina vitsivitsy, tamin’ny antoandro. Nisy tamin’izy ireo no naterina tany an-trano, tao kosa no niantohan’ny Polisim-pirenena niambina tamin’ireo ivon-toeram-panadinana. Nizotra soa aman-tsara ihany koa ny fanadinana ho an’ny faritra Matsiatra Ambony. 45 taona ny mpiadina zokiny indrindra, raha 7 taona no zandriny indrindra.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao