Sosialy

Toby fiantsonan’ny taksiborosy Hifindra eny Andohantapenaka ireo kaoperativa etsy Ambodivona

Hafindra eny amin’ny tobim-piantsonana Makis Andohatapenaka avokoa ireo kaoperativam-pitaterana mampifandray an’Antananarivo sy Toamasina (RN2) ary Antananarivo sy Fenoarivo Atsinanana (RN5) eny Ambodivona. Nametraka peta-drindrina eny amin’ny tobim-piantsonana Ambodivona kosa ireo mpitatitra ho fampandrenesana an’ireo mpandeha, fa manomboka amin’ny 20 septambra ho avy izao ny fiaingana sy fahatongavana amin’ireo faritra voatondro ireo.

Manomboka amin’ny 15 septambra indray izy ireo no afaka mifindra eny an-toerana, araka ny fampahafantaran’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT).
 
Resy lahatra amin’ity fifindrana ity ny 85%-n’ireo mpitatitra eny Ambodivona raha mbola misalasala kosa ny sasany. « Mifandray ireo mpandeha amin’ny RN2, RN4, RN6 raha jerena ny salan’isa. Noho izany, mety aminay ny mifindra eny Andohatapenaka noho ilay eny Ambohimangakely », hoy ny filohana kaoperativa iray.

Etsy ankilany, efa nampahafantatra ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fitaterana, ny Fizahantany sy ny famantarana ny toetr’andro fa mbola hisy fandaminana etsy amin’ny tobim-piantsonana Ambohimangakely. Tsy maintsy hampifanarahana ny filàn’ireo mpandraharahan’ny fitaterana ny fotodrafitrasa eny an-toerana.