Fanatanjahantena

Baolina lavalava – Lalao sakana Nandavo ny Atsinanana Rugby  ny Cnaps  tany Mahajanga

Nitohy hatrany ny lalao sakana hiakarana amin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny baolina lavalava na “Top 20”, tany amin’ny faritra hafa raha toa ka niato kely kosa ny teto Antananarivo noho ny fandalovan’ny Papa Fransoa, tamin’ny faran’iny herinandro iny.

Tany Boeny, ohatra, dia nanjakazaka ny Cnaps ka nazava hatrany am-boalohany ny vokatra nandresen’izy ireo  tamin’ny isa 95 noho 15 ny Atsinanana Rugby. Lavon’ny ASA tamin’ny isa 39 noho 11 kosa ny XV Boeny.

Nandray ny lalao sakana ihany koa ny faritra Alaotra Mangoro, tamin’ny sabotsy lasa teo, tany amin’ny kianja Rasolonjatovo, Ambatondrazaka. Resin’ny SOE tamin’ny isa 12 noho 3 ny XV Gona.

Hitohy amin’ny farany herinandro ny fihaonana ho an’ny eto Antananarivo. Hanomboka amin’ny 28 septambra kosa ny fifaninanam-pirenena na ny “Top 20”.

Sendra R.