Tapatapany Tranga samihafa

Vono olona tany Toamasina

Voatazona am-ponja vonjimaika ireo olona efatra voarohirohy tamin’ny fanafihana niharo famonoana olona telo mianaka tany Vohitsara Toamasina, telo volana lasa izay. Mpiambina tao amin’ireo niharam-boina ihany ilay lehilahy voatondro ho tompon’antoka. Voarohirohy niaraka taminy ny vadiny. Voalaza fa nandray anjara mivantana tamin’ny famonoana kosa ny lehilahy roa.