Raharaham-pirenena Tapatapany

Fampitandremana mpitsara

Nivory teny Ambohitsorohitra omaly ny Filan-kevitra ambony ho an’ny mpitsara, notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nambarany ny tokony hananan’ny mpitsara ny kolontsaina mikendry ny tsara hatrany. Hofaizina ireo mpitsara manao kolikoly ary omena fankasitrahana ireo izay manao tsara ny asany. Anisan’ny sampandraharaham-panjakana telo voalohany anjakan’ny kolikoly ny Fitsarana araka ny fanadihadiana nataon’ny Afrobaromètre.