Raharaham-pirenena Tapatapany

Fahaefapolo taonan’ny FFKM

Hanao fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana etsy amin’ny EKAR Masindahy François-Xavier Antanimena ireo mpikambana ao amin’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM), amin’ny alahady 23 aogositra ho avy izao. Hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro ary hifarana amin’ny 5 ora hariva ny lamesa. Tafiditra ao anatin’ny lanonam-pankalazana ny fahaefapolo taonan’ny FFKM io fiaraha-mivavaka hatao io, izay hanasana an’ireo kristianina rehetra tsy an-kanavaka.