Tapatapany Tranga samihafa

Dahalo fito lahy

Voasambotry ny zandary tany Andilamena, afak’omaly, ny lehilahy fito voatondro ho dahalo. Nahatrarana basy vita tanana iray teny amin’izy ireo. Voalaza fa dahalo nangalatra omby sy namono lehilahy iray, tany Amparatsiraka Andilamena, tamin’ny 16 jona lasa teo, izy fito lahy ireto.