Samihafa

Asan-jiolahy sy vono olona Fokonolona roa maty voatifitry ny dahalo

Namoy ny ainy teo no ho eo ireo olona roa avy amin’ny fokonolona tany Ambondro, kaominina Bemaraha Atsinanana any Antsalova, tamin’ny alin’ny 5 jolay lasa teo. Notafihin’ny dahalo am-polony maro io tanàna io. Lasan’ireo jiolahy ny basy iray sy entana vitsivitsy an’ireo mponina. Nitsoaka amin’ny toerana iray voalaza fa tsy sahin’ny Tafika na ny zandary hidirana ireo dahalo, ka miraviravy tanana ny mponina, araka ny loharanom-baovao.

Tsy vao izao fa hatramin’ny ela no efa tsy misy mpitandro filaminana sahy miditra ao amin’io toerana iray manakaiky an’i Betsipolitra io. Ao avokoa anefa ny toby famaharan’ireo dahalo mitondra omby halatra any amin’ny faritra Melaky iny. Manao antso avo aho, etoana, amin’ireo lehibe sy tompon’andraikitry ny mpitandro filaminana. Mijaly ny mponina. Tsy tokony hisy intsony izany toerana tsy voafehin’ny mpitandro filaminana izany, amin’izao fotoana izao”, hoy Velomahazo Patrice, solombavambahoakan’Antsalova raha nanontaniana momba ity tranga nahafatesana olona ity, omaly.