Tranga samihafa

Voina vokatry ny fitrandrahana Lehilahy hita faty tao anaty lava-bato tany Andilana

Namoy ny ainy tao anaty lavaka fitrandrahana an’irony karazana vato lafo vidy, antsoina “Béryl” irony, tany Andratsiolona-Andilana Avaratra any Amparafaravola ny lehilahy iray, afak’omaly. Tonga nitrandraka vato sarobidy tany an-toerana izy sy ny namany no izao niharam-boina izao. Manodidina ny zato metatra miala ny fiangonana katôlika any Andratsiolona ny toerana nisehoan’ny loza sady tafiditra ao anatin’ny faritra tsy azo itrandrahana mandritra ny fotoana tsy voafetra.

Nampandre tamin’ny antso an-tariby ny zandary any Amboavory ilay naman’ity niharandoza ity, izay avy eny amin’ny 67Ha izy fa isan’ireo mila ravinahitra any Andilana ihany koa. Mponina eny Andranomanalina kosa iry nindaosin’ny fahafatesana. Tonga nijery ny zava-nisy avy eo ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny lehiben’ny mpitsabo ao amin’ny toby fitsaboana fototra faharoa Amboavory.

An-tsokosoko

Nampahafantarin’ny mpitsabo tokoa fa vokatry ny fihotsahan’ny tany no nitarika ny fahafatesan’ilay lehilahy, araka ny fampitambaovao avy any an-toerana.

Tsiahivina fa noho ny fisian’ ny fifamonoana teo amin’ny samy mpitrandraka no nanapahan’ny manampahefana ao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro ny fanakatonana an’io faritra misy kariera fitrandrahana vato io, herinandro vitsy lasa izay. Misy hatrany anefa ireo mihady lavaka an-tsokosoko. Porofon’izany ny fahitana izao fahafatesana olona izao.

Hanokatra fanadihadiana manoloana ny voina nitranga ny mpitandro filaminana any Ambatondrazaka. Efa tonga any an-toerana haka ny razana kosa ny fianakavian’ilay lehilahy namoy ny ainy.