Tranga samihafa

Lozam-pifamoivoizana Mpandeha roa namoy ny ainy nadonan’ny fiara tamin’ny hazo

Tsy tana ny ain’ny mpamily sy ny mpandeha iray tamin’ny fiara marika “Mercedes Sprinter Fourgon” niharan-doza tany Vohitranivona-Brickaville amin’ny lalam-pirenena faharoa, afak’ omaly. Nitondra mpandeha folo io fiara io avy any Ambohimahasoa raha nikasa ho any Savalaina saingy nidona tamin’ny hazo letisia lehibe iray talohan’ny nivoahany ny lalana.

Ahiana ho vokatry ny torimaso fotsy nahazo ny mpamily no nahatonga ny loza, raha ny tombantomban’ireo zandary nidina ifotony nijery ny voina niseho. Naratra ny efatra tamin’ ireo mpandeha ary samy efa manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly any Brickaville. Nahitana fahapotehana lehibe tokoa ny fiara.