Tranga samihafa

Halabotry Roa vavy tratra namaky trano

Naiditra am-ponja, eny Antanimora, ireo vehivavy roa tratra namaky trano teny Ambodirano-Androndrakely, omaly. Naman’ny tompon-trano ihany ny iray tamin’izy roa vavy ary efa mifankazatra tsara sy mifampiditra an-trano izy ireo. Nataony dika mitovy ny fanalahidin’ilay trano. Nohararaotiny ny fotoana tsy naha tao antrano ny tompony ka nalainy izay entana lafo vidy rehetra, tamin’ ny faran’ny herinandro teo.

Tonga nametraka fitoriana teny amin’ny Kaomisarian’ny polisin’ny Boriborintany faharoa, eny Ambohijatovo Ambony, ny tompon-trano taorian’izay. Nosamborin’ny polisy avy eo, ireo roa vavy noahiahiana, izay monina eny Ambodirano Androndrakely ihany koa. Tsy nananosarotra ny famotorana satria nanoro ny olona nivarotan’izy ireo ny entana avy nangalariny iretsy roa vavy. Tafaverina amin’ny tompony avokoa ireo entana very araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Polisim-pirenena, omaly