Tranga samihafa

Fanafihana sy vono olona Mpanampy an-trano maty notifirin’ny jiolahy

Notafihin’ny jiolahy efatra nitondra basy ny tokantrano iray, tany Ambohitromby, tamin’ny 5 jona lasa teo. Vao nivoha ny varavaran’ilay trano avy nopoirin’izy ireo, tokony ho tamin’ny misasak’alina, dia notifiriny avy hatrany ny mpanampy iray tao an-trano. Rotiky ny balana basimborona tamin’ ny vatany ka namoy ny ainy teo no ho eo io vehivavy io.

Tsy nanaiky mora ny tompon-trano nahita izany fa namaly nitifitra ihany koa. Raikitra ny fifandonana taorian’izay. “Resy tosika ireo jiolahy, nony minitra maro taty aoriana. Lavo tamin’ny tany ny iray tamin’izy ireo rehefa niantefan’ny balan’ny tompon-trano. Nentin’ireo namany nitsoaka ilay naratra. Vola telo alina ariary sendra nipetraka teo ambony latabatra no lasan’izy ireo nitsoaka”, hoy ny loharanom-baovao. “Tsy nanaiky hamoha ny varavaran’ ny trano io mpanampy io rehefa norahonan’ireo jiolahy avy tany ivelany, ka izay no heverina ho antony namonoan’ireo mpanafika azy noho ny hatezerana”, hoy ny mponina any an-toerana raha nitantara ny zava-nitranga tamin’ny antso an-tariby.