Sosialy

Fodiamandry mpikabary Mpitsabo mpanampy malagasy iray matin’ny « Coronavirus »

Nodimandry teo amin’ny faha dimampolo taonany, tany Benelux, any Belzika i Soamaro Françoise na i tati Soazy, mpikabary sady mpiasan’ny fahasalamana, tamin’ny talata 7avrily 2020. Ny aretina « Coronavirus » no nahafaty azy, araka ny vaovao nampitain’i Hanitra Andriamboavonjy, filohan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fimpima). Izy no Malagasy fahatelo matin’io valanaretina io, tany ivelany.

Mpikambana ao amin’ny Fimpima maneran-tany i Soamaro Françoise. Izy no mpitahiry volan’ny Sampana Fimpima any Benelux.

Mpitsabo mpanampy ny asany, ankoatra ny maha mpikabary azy. Tao amin’ny tanàna antsoina hoe Enghein, any Belzika, no nodimandry izy. Maty amperinasa izy satria nitsabo olona mitondra ny tsimok’aretina « Covid-19 » no voalaza fa nahalavo azy.