Sosialy

Fanararaotana amin’ny krizy Tototry ny fitarainana ilay birao eny Ambohitsorohitra

Voatery miandry raharaha. Manao ranolava ny fanenon’ ny findain-dRakotomanana Richardson, talen’ny birao fandraisana fitarainana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, amin’izao fotoana hiatrehana ny ady amin’ ny fiparitahan’ny tsimok’ aretina ‘ Covid-19 ‘  izao. ‘ Betsaka ireo mitaraina momba ny fitsinjarana tsy ara-drariny an’ireo fanampiana isan-karazany. Ao koa ireo tena mikaikaika manoloana ny fanararaotana ataon’ireo mpitatitra mampiakatra saran-dalana amin’ireo zotra nasionaly. Tsy latsaky ny telopolo ny antso voarainay isan’andro momba an’izany ‘, hoy izy.

Tsy mijanona amin’ny famahana an’ireo olana aratsosialy tonga eo am-pelantanany ireo mpiasan’ity birao eny Ambohitsorohitra ity, amin’izao fotoana fihibohana izao. ‘ Mandray antso izahay rehefa tsy miakatra birao. Misy fotoana ihany koa izahay no tsy maintsy miakatra birao manara-maso ny fivoaran’ireo raharaha ‘, hoy ihany ny talen’ity birao manokana ity.

Fitarainana miisa efatra arivo no voarain’ity birao ity hatramin’ny fiantombohan’ny taona 2020. Ny antsasa-manilan’ireo raharaha ireo no efa voalamin’ireo mpikambana ao aminy. Isan’izany ny ady tany miisa efatra ambin’ny folo tany Toamasina.