Tranga samihafa

Asa ratsy – Ambohidratrimo Mampiasa tampim-bava ireo mpanafika

Niharan’ny fanafihan-jiolahy miisa enina mitondra basy poleta ny tokantrano iray teny Antanambao-Andafiavaratra eny Ambohidratrimo, afak’omaly misasak’alina. Nofatoran-dry zareo ireo telo lahy mpiambina an’ilay trano. Manao sarom-bava avokoa ireo jiolahy noho ny tahotry ny aretina “Coronavirus” angamba.

Finday raitra miisa roa sy solosaina fitondra mandeha iray no fantatra fa lasan’ireo jiolahy. Rehefa tafiditra tany amin’ny rihana fahatelo ireo jiolahy no  nofatoran’izy ireo ihany koa ny roa lahy, zanaky ny tompon-trano. Soa aloha fa tsy nisy naratra na namoy ny ainy tamin’ity asan-jiolahy ity.

Miezaka manangom-baovao momba ireo jiolahy ny zandary eny Mandrosoa Ivato. Tsy mbola misy hita soritra ny hahatrarana ireo mpanafika, hatramin’ny omaly.