Tapatapany Tranga samihafa

Zaza hita faty

Omaly maraina tokony tamin’ny 12 ora sy sasany, vao hita ny vatana mangatsiakan’ilay ankizilahy, 14 taona, lasan’ny rano teny Andraisoro, afak’omaly hariva. Tany ambany tetezana eny Ambohidahy-Ankadindramamy, tokony ho 2 kilaometatra miala ny toerana nahitana azy farany, no nisy ny razana. Noho ny ezaky ny fokonolona sy ireo fianakaviana izay nanohy hatrany ny fikarohana no nahitam-bokany. Teny an-dalana nirava avy nianatra no tra-doza io ankizy io noho oram-be sy ny ranobe.