Sosialy Tapatapany

Fanitarana zotra

Nanao fanambarana ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Antokon-draharaha misahana ny fitatarena an-tanety na ATT fa efa misokatra izao ny fangatahana fanavaozana ny fahazoan-dalana mitrandraka zotra. Misokatra ho an’ireo mpitatitra rehetra amin’ny zotra nasionaly, rezionaly,an-drenivohitra sy ny mpitatitra ivelan’ny renivohitra izany fanavaozana fahazoan-dalana izany. Efa afaka manatitra ny taratasy rehetra ilaina amin’izany ny tompon’andraikitra ny amin’ny ATT ireo mpitatitra tokony hanatanteraka izany. Tsy misy kosa ny tataovan-tsarany ny fanavaozana rehetra izay hatao manomboka ny 01 marsa ka hatramin’ ny 1 avrily 2019, hoy hatrany ny fanambaràna.