Mety hiteraka fanelingelenana ny famatsiana herinaratra ny toetry ny andro amin’izao fotoana izao. Miantso ny mpanjifa ny tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa Jirama mba hampita haingana aminy na eto amin’ny tambajotran-tserasera “Facebook Jirama officiel” na amin’ny alalan’ny ny antso an-tariby 3547, 032 32 035 47, 020 22 890 01 raha misy fahatapahan-jiro mba hahafahan’izy ireo manarina azy haingana. Maro be ireo tariby na “câbles” tapaka sy andrin-jiro nianjera taorian’iny oram-be ny alakamisy lasa teo iny. Mila ny fiaraha-miasa avy amin’ny tsirairay ny Jirama satria tsy ho hitan’izy ireo avokoa izany raha tsy misy mampandre.
Hanome hevitra