Raharaham-pirenena

Ady amin’ny kolikoly aty Afrika Lasa mpikambana ao anatin’ny Komity fakan-kevitra ny tale jeneralin’ny Bianco

Andraikitra vaovao. Lany ho mpikambana ao anatin’ny komity fakan-kevitra misahana ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny Vondrona Afrikanina Andriamifidy Jean Louis, tale jeneralin’ ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco). Araka ny fampitam- baovao avy amin’ny mini- siteran’ny Raharaham-bahiny, omaly, dia firenena afrikanina miisa efatra amby efapolo amin’ireo dimy amby dimampolo nandray anjara tamin’ny fisafidianana an’ireo olona handrafitra an’ity komity ity no resy lahatra tamin’ny tale jeneralin’ny Bianco mba handraisany toerana ao anatin’io komity io.

Isan’ny mbola raharaha manahirana sy miteraka tsy fampandrosoana aty amin’ireo firenena afrikanina ny fisian’ny kolikoly ka nananganana komity manokana hiandraikitra ny famongorana izany eo anivon’ ny Vondrona Afrikanina.

Hanomboka amin’ny alahady izao ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-pirenena eo anivon’ny Vondrona Afrikanina, ka isan’ny handray anjara amin’izany ny Filohan’ny Repoblika malagasy.