Tranga samihafa

Voina teny amin’ny tetezana Olona roa namoy ny ainy tao anatin’ny fiara nivarina

Niharam-boina teny amin’ny lalam-pirenena fahafito tany Ankadilalana, kilaometatra vitsy miala an’Ambatolampy, ny fiara iray marika “Mercedes Sprinter”, omaly tolakandro. Latsaka tao ambanin’ny tete­zana ny fiara. Vokany, namoy ny ainy teo no ho eo ny olona roa. Naratra ny ankamaroan’ ny mpandeha niaraka tamin’ ny mpamily.

Avy any atsimo andeha hianavaratra ny fiara. Olona sivy ambin’ny folo, samy anaty fianakaviana iray, no mpandeha. Olana teo amin’ny hisatra, hatreto, hoy ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana no nahatonga ny loza. Nanitsy tany amin’ny sisin’
ny tetezana ny fiara. Niala mihitsy ny arofanina ka nitontona teo amin’ny dongon-tany tao ambany tetezana ny fiara.

“Efa notaomina nihazo ny hopitaliben’Ambatolampy ireo rehetra naratra sy ireo namoy ny ainy, nialoha ny nahatongavanay teny an-
toerana.Tsy maintsy mbola hojerena eny amin’ny hopitaly ireo, indrindra ny mpamily”, hoy ny zandary misahana ny fanadihadiana.