Telo herinandro nakana aina ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina lavalava lalaovin’olona fito na ny Makis sokajy vehivavy, taorian’ny fandraisany anjara tamin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, tany Tonizia farany teo. Miverina amin’ny fampivondronana kosa izy ireo, nanomboka ny alatsinainy lasa teo, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Manomana ireo lalao sakana hikatsahana ny tapakila amin’ny Lalao Olimpika 2020 indray, izay hatao any Orogoay. “Hisy ny fanomanana ao Sili, herinandro mialoha ny handehanana any Orogoay”, araka ny fanazavan-dRandrianarison Eric, mpanazatra ny Makis vehivavy.
Nisokatra ho an’ireo mpilalao hafa aloha ny fampivondronana hatreto. “Miisa telopolo izy ireo no miatrika ny fanazarantena hatramin’ny faran’ity volana ity. Misy mpilalao vaovao sy ireo izay nantsoina hofantenana handrafitra ny ekipam-pirenena teo aloha.
Sendra R.
Hanome hevitra