Tranga samihafa

Razana roa sosona Novonoin’ny fokonolona ilay lehilahy nahafaty ny vadiny

Razana roa tao an-tanàna. Nitrangana loza niafara tamin’ ny famoizana ain’olona roa tany Ankoririka-Kiranomena any Fenoarivobe, tamin’ny talata 5 novambra lasa teo. Hita faty tao an-tranony ny vehi­­vavy iray, 24 taona. Voalaza fa novonoin’ny vadiny izy. Nitsoaka ity farany rehefa avy nahavanon-doza.

“Tsy fantatra izay olana nisy teo amin’ny roa tonta. Misy amin’ireo mponina eo amin’ny manodidina no milaza fa efa nisaraka izy roa ireo, saingy nahavariana azy ireo ny nahita ilay lehilahy tao indray. Notaperina aina tamin’ ny vono sy daroka tamin’ny fitaovana ilay vehivavy. Tezitra mafy ny olona taty nahita sy naheno ny zava-nisy, ka samy nanao izay nahitana an’ilay lehilahy avokoa”, hoy ny fitan­taran’ireo mponina any an-toerana. Ora vitsy taorian’ izay, nisy nahita ny toerana niafenan’iry lehilahy voalaza ho nahava­non-doza. Raikitra ny fisambo­rana. Tra-tehak’ireo fokonolona teo an-toerana izy. Tsy nisy alaharo fa niharan’ny vono sy daroka mahery vaika, niampy tora-bato avy amin’ ireo andian’olona. Tsy mbola tonga akory ireo mpitandro filaminana avy ao Kiranomena no efa tsy nisy aina intsony ilay lehilahy, araka ny loharanom-baovao hatrany. Na izany aza, tonga nijery ny razana ny lehi­ben’ny toby fitsaboana fototra faharoa niaraka tamin’ireo zandary miasa any an-toerana. Nomena ny havany ireo razana roa taorian’izay. Milaza ireo mpitandro filaminana fa hisy ny famotorana momba ity tranga namoizana ain’olona roa ity, satria tsy azo atao ny manao fitsaram-bahoaka. Ahiana noho izany ny hisian’ny fisamborana aorian’ny fandevenana ireo razana ireo.