Tranga samihafa

Lozam-pifamoivoizana Ankizy mpandroaka sarety maty voafaokan’ny taksiborosy

Nodonin’ny fiara taksiborosy marika «Mercedes» ny sarety iray niampita arabe tany Miadanimerina-Ambohimandroso, afak’omaly vao maraina be. Namoy ny ainy ny ankizy lahy iray, 14 taona, nandroaka io sarety io. Nosambo­rin’ny zandary any Ambohimandroso ny mpamily ny fiara.

Araka ny loharanom-baovao avy amin’ireo zandary nanao fanadihadiana taorian’ity loza nitranga ity, dia ahiana ho vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny voina.

Nilaza ho tsy nahita ny sarety ny mpamily ilay fiara raha tsy efa akaiky kely, hoy ireo mpanao fanadihadiana. Nahitana
fahapotehana be tamin’ny fiara niharan-doza. Hatolotra ny Fitsarana any Ambatolampy ny mpamily ny fiara.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra