Zavakanto

Fifanarahana Miravona ny disadisa momba ny « Miss Madagascar 2019»

Horaisin’ny komity mpikarakara ny « Miss Madagascar » (CMM) an-tanana ihany ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny « Miss Monde », hatao any Londres (Angletera) amin’ny volana desambra 2019. Nisy ny fifanatonana teo amin’i Valérie Biguira, voafidy ho « Miss Madagascar 2019 » sy ny CMM, omaly, niaraka tamin’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Andriatongarivo. Taorian’ny fakàna ny hevitry ny roa tonta no nahafahana nandamina an’ireo olana nisy rehetra. Nanamafy ny minisitra fa « Tombontsoan’i Madagasikara ny handehanan’i Valérie any Londres, ka tokony hifanohana sy hifanampy ny rehetra mba hahatanteraka izany ».

Nisy ny fifanarahana an-tsoratra natao sonia ho mariky ny fihavanana. Teo ihany koa ny fifanekena nataon’ny andaniny sy ny ankilany, ka tapaka fa horaisin’ny CMM an-tanana ny fisoratana anarana sy ny fahazoan-dalana hahafahan’i Valérie Biguira misalotra ny anaran’ny « Miss Madagascar 2019 » ary ny tohana ara-teknika ilainy rehetra. I Valérie Biguira sy ireo mpanohana rehetra kosa no hiantoka ny fandaniana any an-toerana.

Volasoa R