Tranga samihafa

Fifampitifiran’ny zandary sy dahalo Nijininika ny rà, tsy nisy hita ireo maratra na maty

Mahery vaika ny fifandonana teo amin’ireo zandary manokana miady amin’ny dahalo (Usad) marobe sy ireo dahalo an-jatony nangalatra omby miisa sivy ambin’ny folo amby zato sy ondry miisa dimy tany Vohipanenitra-Antsomontsoy any Isoanala-Betroka, afak’omaly. Feno ra teo amin’ny toerana nisian’ny fifandonana, saingy tsy nisy hita na razana iray aza, araka ny loharanom-baovao.

Tao anaty ala no nisian’izao fifanjevoana mahery vaika izao. “Nisy nampandre izahay momba ny fanafihana nataon’ireo dahalo an-jatony nitondra basy am-polony maro naka ireo omby sy ondry ireo tany amin’io tanàna io. Natao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny zandary avy amin’ny foibe manokana fanazarantena ny zandarimaria na Csao ao Imanombo. Teo amin’ny ala Antsomontsoy no nifanehitra izahay ka raikitra ny fifampitifirana”, hoy ny fitantaran’ireo zandary nifandona tamin’ireo dahalo.

Tafaverina avokoa ireo omby sy ondry. Nisy omby roa sy ondry telo koa voalaza fa novonoin’ireo dahalo teny an-dalana. Tsy nanaraka na nikaroka ireo dahalo ahiana ho namoy ny ainy ireo mpitandro filaminana taorian’ny fifandonana rehefa tafaverina amin’ny tompony avokoa ireo biby.