Zavakanto

« Festival Sar’nao» Hisantatra ny fampirantiana etsy Andavamamba i Serge Rakoto

Omaly no natomboka ny iray volan’ny saripika hiarahana amin’ny « Festival Sar’nao». Manolotra fampirantiana haharitra hatramin’ny 18 novambra i Serge Rakoto na i Serge Rakotofiringa, etsy amin’ny Alliance Française (AFT) Andavamamba, hisantarana izany. Nosokafana omaly ny fampirantiana ka anomezany vahana ireo vehivavy any amin’ny toeram-piasany. Araka ny fanazavana, mbola maro ny fandaharam-potoana manodidina ny sary atolotry ny « Sar’nao ».

Mpaka sary manana ny maha izy azy i Serge Rakoto. Maro ireo fankasitrahana azony tamin’ireo fifaninanana marobe nandraisany anjara. Isan’izany ny fifaninanana iraisam-pirenena nokarakarain’ny « Fondation Alliance française » tamin’ny taona 2017. Nosafidiany manokana ny lohahevitra hoe « Ny vehivavy anivon’ny asa », amin’ity fampirantiana ity. Hanomezany vahana ireo vehivavy misafidy manokana ny hanao ireo asa heverina fa natokana ho an’ny lehilahy izany.

Volasoa Randriamanantena

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra